4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry taratasy - Henri ratsimbazafy

Manimanina aho izany
fa mahatsiaro anao
lasana any lavitra any
tsy ahazoan-rbaovao
Ny elanelan-tany
efitra mavany
manasaraka ahy aminao

Manimanina aho izany
fa mahatsiaro anao
lasalasa ny vinany
tsy mahavita izay atao,
tsy mety fa sorena
reraka ny tena
eo am-piandrasam-baovao

Tsy andriko ny aha-maraina
tafatsangwa malaina,
miolomay, maina sy mangaihay,
Vao mipaika ny amy valo,
eo mantsy no mandalo
'lay rangahy mpitondra taratasy ho ahy,

Mitsirika eny am-bavahady
sao misy olona mitady
kanjo indrisy !
miandry foana fa tsy miisy

lasa indray mankany an-trano
kivy ka manganohano
amizany
mbola manatena ihany.

Partager miandry taratasy

Commenter miandry taratasy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite